TIA

Nampidirin'i richtiana | 28 Nov, 2007

Embarassedianao niteny hoe:<tia>

kanefa toa tsy haiko izay dikany aminao,

tsy tsapako satria:

ny zavatra fanao tsy misy fihatsarana

na koa mba miha-vao

ny omaly toa tsy miova,ny ketoka sy kita,

ny tsy firaharahiana,ny fanaranam-po

amim-pitiavan-tena

toa zary lasa lova,ny fanapahan-drery

tsy misy teny miera fa dia mihenahena

dia izaho ve ilay mba tiana?

 ....tsia hoy aho satria:

amiko ny< tia>

dia manokan-tena ho an'ilay tiavina

vonona amin-kery sy fandavan-tena

haneho an-tsitrapo

ilay tena hoe:fitiavana

mizara fifaliana,ny alahelo koa

izay rehetra mety hiarahana mizaka

hatramim-pahoriana,na ratsy na ny soa

na mafy tsy ho setra dia miaraka mitraka,

hiatrika fiainana,mandrakizay doria

izay no atao hoe:<tia>.

richtiana