TIA

Nampidirin'i richtiana | 28 Nov, 2007

Embarassedianao niteny hoe:<tia>

kanefa toa tsy haiko izay dikany aminao,

tsy tsapako satria:

ny zavatra fanao tsy misy fihatsarana

na koa mba miha-vao

ny omaly toa tsy miova,ny ketoka sy kita,

ny tsy firaharahiana,ny fanaranam-po

amim-pitiavan-tena

toa zary lasa lova,ny fanapahan-drery

tsy misy teny miera fa dia mihenahena

dia izaho ve ilay mba tiana?

 ....tsia hoy aho satria:

amiko ny< tia>

dia manokan-tena ho an'ilay tiavina

vonona amin-kery sy fandavan-tena

haneho an-tsitrapo

ilay tena hoe:fitiavana

mizara fifaliana,ny alahelo koa

izay rehetra mety hiarahana mizaka

hatramim-pahoriana,na ratsy na ny soa

na mafy tsy ho setra dia miaraka mitraka,

hiatrika fiainana,mandrakizay doria

izay no atao hoe:<tia>.

richtiana

 

NY FITIAVANA

Nampidirin'i richtiana | 21 Nov, 2007

Crybjr,mino ve enao fa ny fitiavana mahasarona ny zava-drehetra?fifankatiavan'olon-droa no tiko horesahina eto an.za hoatry ny efa niaina t@ le iz mantsy de mba tiko ho fantatra oe:possible @ olo-ndrehetra ve  le izy sa izaho no hafa indrindra.Satriko raha mba mitafa2 amiko enao ny momba an'io.

Misaotra an. (tohiny)

slt

Nampidirin'i richtiana | 5 Nov, 2007
richtiana
tsara le toerana e?

Tonga soa richtiana!

Nampidirin'i richtiana | 19 Okt, 2007
Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.